Aorian’ny « Taxi-be » dia tompondakan’ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny fiara tsy mataho-dàlana raha eto Madagasikara no asian-teny. Omaly vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, dia raim-pianakaviana iray efa mananika ny 60 taona mahery indray no namoy ny ainy nofaohin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray teny Andranomena. Marihina fa pasitera amin’ny fiangonana zandriny iray eto amintsika ity lehilahy niharan-doza ity. Raha ny fanazavan’ny zanany vavy dia handeha hivoaka maraina hanao « commission » amin’ny asa maha mpanompon’Andriamanitra azy ny rainy izao voadonan’ny fiara izao. « Niainga tamin’ny 4 ora sy sasany tao an-trano izy hanao « commission ». Nandeha “bus” izy ka niala teo Andranomena. Rehefa niampita anefa izy handeha haka “bus” hafa iray dia notsenain’ity “4×4” nifaoka azy ity “, hoy izy nitantara. Fantatra izao fa noho ny fandehanana mafy no nahatonga an’ilay fiara nahadona azy, izay marihina hatrany fa tao anatin’ny faritra tokony hiampitana, na “passage clouté”, tanteraka mihitsy. Efa tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny “Brigade des Accidents et de la Circulation” nanao ny “constat” rehetra. Ilay pasitera kosa nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Raha ny fanazavana azonay hatrany dia mbola nahatsiaro saina tsara ilay voadona satria mbola afaka nanome ny findainy an’ity dokotera nampandrenesana ireo fianakaviany. Mbola azo nametahana «sérum » sy nomena ny fanafody rehetra nilainy izy, saingy 10 minitra taty aoriana, tsy tàna intsony ny ainy. Efa vatana mangatsiaka sisa no novantanin’ny vady aman-janany tonga nijery azy teny amin’ny hopitaly. Voalaza fa ny dona mafy nahazo ny lohany no tena nitarika ny fahafatesany. Manoloana izany, tsy nialangalana kosa ny tompon’ilay « 4×4” fa nanome lelavola iray tapitrisa ariary hanampiana ny havan’ny maty. Misokatra ihany koa ny fanadihadiana.
Niony H.