- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy Ambony : Olona sivy miara-mangalatra anaty « boutique »

Andravoahangy Ambony : Olona sivy miara-mangalatra anaty « boutique »

Tsotra be ny fikan’izy ireo. Miara-miditra ao anatin’ny toeram-pivarotana iray. Samy maka toerana ary mifanesy manontany ny vidin’entana. Mazava hoazy fa sempotra koa ny mpivarotra ao anatin’izany ary tsy mahara-maso intsony. Tamin’ity tranga iray ity dia sendra nivoaka kely ny iray tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ilay tsena. Tao anatin’izay no nanararaotan’ireo olon-dratsy izay miandahy, miambavy ary madio fitafiana. Izany hoe nafenin’ireo tamin’ny fijery ivelany tanteraka ny maha-tontakely azy. Ny sasany mody be fanontaniana ary ny sasany kosa efa manatsofoka entana any anaty paoketra. Very ny finday ary nisy vola lasan’ireo olon-dratsy koa. Ny tsy nampoizin’ity fikambanan-jiolahy sy jiovavy ity dia ny fisian’ny « caméra de surveillance » tao amin’ilay toerana. Voarakitra tao anaty horonan-tsary avokoa ny momba ny halatra ary koa ny tavan’izy rehetra. Omaly ihany dia efa niparitaka ny sary ary koa tonga teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Mandram-pahazoana ireo olon-dratsy ireo dia tokony ho malina ny tompon’ireny «boutique » mivarotra entana isan-karazany ireny. Mila mailo rehefa misy maromaro indray miditra sy be fanontaniana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici