Lehilahy iray no hita faty tao anaty tatatra teo Andravoahangy tsena, akaikin’ny tobim-pahasalamana iray eny an-toerana omaly maraina. Raha ny fahitana ny razana dia manodidina ny 50 taona eo ho eo ity rangahy ity, nahitana faritra mangana sy nivonto teo amin’ny lohany ary niboridana tanteraka ny tapany ambany. Ireo mpivarotra namelatra ny entany vao maraina no nahatsikaritra ity zavatra hafahafa miendrika vatan’olona nihohoka tao anaty tatatra. Rehefa natonina sy nodinihina dia tena vatan’olona ity tao anaty tatatra ity, hoy ny fitantaran’ireo mpivarotra teny an-toerana. Nantsoina avy hatrany ny tompon’andraikitra, ary nampiakarina avy tao anaty tatatra ny nofo mangatsiakan’ity rangahy ity. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahafaty ilay rangahy ity. Tsy mponina eny amin’iny faritra iny izy, araka ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany. Siosion-dresaka no nahenoana fa toa hoe olona avy any avarabaratra avy any izy io. Nisy namono ve? Raha zohina amin’ireo ratra teo amin’ny lohany dia azo heverina fa mety ho nisy namono tany ho any ity rangahy ity, nalain’ireo tsy mpamono ny fitafiany sy izay zavatra tany aminy, ary natsipin’izy ireo tany anaty tatatra avy eo. Azo heverina ihany koa anefa fa hoe mety ho mamo, nianjera sy latsaka tao anaty tatatra ary namoy ny ainy tao. Mety ho matin’ny aretina sy ny hatsiaka ihany koa anefa. Mamirifiry tokoa ny hatsiaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato. Maro ihany ireo olona no safotra sy torana tampoka eny an-dalana eny, indrindra fa ireo tsy manan-kialofana. Toy ny nitranga tetsy Ankorondrano omaly. Lehilahy iray, karazan’irony tsy manan-kialofana irony, izay milaza fa avy any Antsirabe toran’ny hatsiaka sy ny hanohanana. Ireo olona nangoraka no hany mba nanome fitafiana sy sakafo kely ho azy.
m.L