Velon-taraina ireo mponina sy mpametraka fiara eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny. Miverina mirongatra indray mantsy ny halatra “batterie”n’ny fiara. Manao rotsak’alina mihitsy ireo olon-dratsy manesy ireo fiara sendra mipetrapetraka amin’iny toerana iny. Araka ny filazan’ireo efa voa, na fiara tranainy na fiara vaovao dia saika lasibatra avokoa. Rehefa hitan’izy ireo fa mihidy tsy hita atao inona ny varavaran’ny fiara dia tsy misalasala izy ireo mamaky ny fitaratry ny fiara. Mazava ho azy rehefa mivaha izany, tsy vitan’ny “batterie” irery no lasan’ireo olon-dratsy fa ireo izay mety fitaovana sarobidy ao anaty fiara raha misy izany. Tokony ho mailo hatrany araka izany ireo tompona fiara.
nangonin’i m.L