Ramatoa iray hamonjy tsena no voaroba vao maraina omaly. Lasan’ny telo lahy nanambana antsy azy ny vola mitentina telo hetsy Ariary. Tsy izay ihany anefa ny asan-jiolahy izay niseho tato ho ato. Ny faran’ny herinandro teo koa dia nisy mpivavaka hamonjy fiangonana vao maraina ary voaendaka avokoa izy efa-mianaka. Lasa hatramin’ny rakitra, ny finday sy izay azo nalaina teny amin’izy ireo. Ireo tranga roa ireo dia efa manaporofo fa mitady hahazo vahana indray ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina an’Andravoahangy sy Ambodivona. Isan’ny faritra mena ny boriborin-tany fahatelo tany aloha saingy voafehy ihany izany. Ankehitriny dia mila haverina indray ireo polisy manao fanamiana sivily ary manara-maso ny toerana izay mety hiparitahan’ny jiolahy. Raha vao tsisy valin-kafatra maika mantsy dia hitombo hahazo vahana hatrany ireo olon-dratsy ireo.
D.R




