- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpanendaka avy nanao ny asa ratsiny, nifanenjehan’ny fokonolona

Andravoahangy : Mpanendaka avy nanao ny asa ratsiny, nifanenjehan’ny fokonolona

Roa lahy izy ireo no voasambotry ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana eny Andravoahangy niaraka niasa tamin’ireo pôlisy manao fanamiana sivily nanao fisafoana teny an-toerana. Ny iray, izay vao 14 taona monja, dia fantatra fa vao avy nivoaka ny fonja ny 8 jolay lasa teo ary dia izao niverina nanao ny asa ratsiny izao indray. Ny iray kosa dia efa mpanendaka raindahiny malaza ratsy eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny.

Rehefa avy nanao ny asa ratsiny ary hitan’ireo fokonolona sy niantsoana vonjy ireto mpanendaka roal ahy, 21 taona ny zokiny ary 14 taona ny zandriny, dia nifanenjehana erak’iny faritra Andravoahangy iny. Voasambotra ihany moa izy ireo nony farany, ny alakamisy hariva lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia vehivavy niantsena tao Andravoahangy no nataon’ilay tovolahy 21 taona lasibatra. Tsy nanaiky mora anefa ilay ramatoa fa sady nitazona ny tanan’ilay nanendaka azy no niantso vonjy. Tafaporitsaka ihany anefa ingahirainy saingy tsy lasa lavitra dia tratra. Ny faharoa kosa dia voasambotra teo amin’ny lakan-drano Andravoahangy, rehefa avy nanendaka findaina mpiantsena tao ihany. « Fiaraha-miasa tamin’ireo mpiambina ny tsena no nahafahana nisambotra ity tovolahy ity. Izy ireo no nahatsikaritra niaraka tamin’ny tompona finday very fa ity tovolahy ity no naka izany findain’olona izany tao anaty tsena », hoy  ny vaovao. Samy nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo avokoa izy roa lahy ary hatolotra ny fitsarana rehefa vita ny fakàna am-bavany azy ireo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici