Faritra isan’ny mafana tokoa raha ny resaka tsy fandriampahalemana no asian-teny eny amin’iny faritra Andravoahangy sy ny manodidina iny. Tsy mikely soroka amin’izany anefa ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, miezaka andro aman’alina, manao fisafoana ireo elakelan-trano rehetra eny an-toerana. Tsy very tokoa ny ezaka fa ny sabotsy alina lasa teo dia enin-dahy nikasa hanao ny asa ratsiny no tra-tehaka. Mbola nivorivory toy ny fanaon’izy ireo tao anatina elakelan-trano ireto farany no notongavan’ireo pôlisy tampoka. Nitsoaka avy hatrany izy ireo ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra anefa dia voapaingotra ihany. Mbola nahitàna antsy lava lela iray tany amin’ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto. Marihana, hoy ny vaovao, fa samy tsy manana kara-panondro izy ireo ary rehefa nofotorana dia samy vao avy nivoaka ny fonja tsy ela avokoa noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery teny amin’iny faritra iny hatrany.
Fa ankoatra azy enin-dahy ireto dia lehilahy iray ihany koa tra-tehaka teo amina toby fiantsonan’ny taxibe iray teny amin’iny faritra Antanimena iny, teo am-pangaronana paosina ramatoa iray. Vola maromaro no lasa tamin’io saingy nisy nahita ny zavatra nataony ka nifanenjehan’ny olona sy ny pôlisy ity mpangaraom-paosy ity. Tsy lasa lavitra ihany koa dia voasambotra ary nentina avy hatrany teny amin’ny birao natao famotorana.
m.L