- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpivarotra rongony voasambotry ny pôlisy

Andravoahangy : Mpivarotra rongony voasambotry ny pôlisy

Mpivarotra rongony iray indray no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny « Poste avancé » etsy Manjakaray, ny faran’ny herinandro lasa teo teny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Mbola teo am-pivarotana mihitsy moa ingahirainy no tra-tehaky ny pôlisy. Araka ny fanazavàna azo dia teo am-panaovana fisafoana mihitsy ireto mpitandro filaminana no nahita ity rangahy iray, izay tsy tahotra tsy henatra fa dia mivarotra izany zavamahadomelina izany, toy ny mivarotra mofo dipaina teny an-toerana. Nifanenjehana avy hatrany moa ity farany ary tsy ela dia voasambotra. Mbola nahitàna ambiny, fehin-drongony maromaro moa tany anatin’ny kitapo nentiny tamin’ny fotoana nisamborana azy. Tamin’ny famotorana ity farany, araka ny fampitam-baovao azo, no nahafantarana fa eny Ankorondrano ny mpamatsy ambogadiny ny rongony amidiny. Raisina 1000 ariary eny an-toerana ny fehin-drongony iray ary amidiny eny Andravoahangy sy Manjakaray amin’ny vidiny 2000 ariary. Taorian’ny famotorana azy dia natolotra ny Fampanoavana ny lehilahy ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici