- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Ramatoa 50 taona tratra nangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Andravoahangy : Ramatoa 50 taona tratra nangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Omaly antoandro , tokony ho tamin’ny 12 ora teo no nisehoan’ity tranga ity teny amin’iny faritra Andravoahangy iny. Ramatoa efa antitra manodidina ny 50 taona eo no tratra nangala-jaza. Tezitra noho izany ireo mponina sy mpivarotra izay nahita teny Andravoahangy ka samy namono sy nidaroka avy hatrany ity vavy antitra ity. Fantatra fa naratra mafy noho ny vono nahazo azy kosa ity farany . Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa rehefa iny variana niantsena iny ny renin’ity zazavavy kely ity , izay mbola 3 taona eo no nanao ny asa ratsiny ilay vehivavy. Araka ny fitantaran’ireo nahita maso dia notambazany zavatra ity zazavavy kely ity , ka avy hatrany dia nanaraka. Nitomany mafy ity ramatoa ity sady nivaloharika tanteraka , ka nivondrona nanampy azy avokoa ny olona nitady ity zazakely. Mbola tsy dia lavitra no nisy an’ity ramatoa mpangala-jaza ity , niaraka tamin’ilay zazavavy kely , izay nigogogogo nitomany niantso an-dreniny.Tra-tehaka teo kosa ity ramatoa izay mbola teo am-pitrotroana ity zazakely.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici