- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Rangahy handeha hiantsena, maty voatifitry ny mpanendaka

Andravoahangy : Rangahy handeha hiantsena, maty voatifitry ny mpanendaka

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona indray no maty tsy tra-drano tetsy Andravoahangy, omaly vao maraina, raha nifanehitra tamin’ny mpanendaka. Raha ny fantatra dia saika handeha hamonjy tsena vao maraina ity rangahy ity, ary mety efa voamarik’ireto olon-dratsy. Teo ambodin’i Mascar izy no nosakanan’ireto farany. Azo heverina ho niezaka ny hamaly sy hanohitra ireto mpanendaka ity lehilahy ity tamin’izay fotoana izay. Tsy nampoiziny velively anefa ny fisian’ny basy tany amin’ireto olon-dratsy. Ny feon’izany fitaovam-piadiana izany nipoaka  no nanaitra ny olona rehetra teny an-toerana, izay mbola somary mangina tamin’io ora io. Vatana mangatsiaka nihosin-drà anefa sisa nitangoronan’ireo mpiantsena sy mpivarotra teo. Nitsoaka avy hatrany kosa ireo mpitifitra, niaraka tamin’ny zavatra notsiriritiny tamin’ity rangahy mpiantsena ity. Raha ny fanazavana azo dia teo amin’ny lohany no niantefan’ny bala. Antony nahatonga ny fahafatesany avy hatrany, eny fa na dia niezaka ny nitondra azy tany amin’ny tobim-pahasalamana aza ireo nanatri-maso. Fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici