- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Taxi-be tapaka hisatra nifatratra tamin’ny taxi-be hafa

Andravoahangy : Taxi-be tapaka hisatra nifatratra tamin’ny taxi-be hafa

Taxi-be iray no tapaka hisatra omaly hariva teny Andravoahangy ka nifatratra tamin’ny taxi-be hafa.   Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa ny fiara no simba ary niteraka fitohanana. Na izany aza, mety ho ratsy ihany ny zava-niseho raha tamin’ny fidinana no niseho ny loza. Efa tamin’ny lalana mahitsy sy nandeha mora ihany ilay taxi-be no tsy nahatana ny hisatra. Tsy tafajanona izy io ka taxi-be iray nijanona nanala olona no nifatrarany. Nahay niala ny olona teo anelanelan’ny fiara roa. Voalaza fa efa tsapan’ny mpandeha ihany fa nisy olana io fiara io teny am-pandehanana teny, saingy nentin’ny mpamily ihany, ary izao nahitan-doza izao ny niafarany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny toe-javatra.

Lozam-pifamoivoizana ihany, teny Ankazomanga afakomaly. Moto iray no voahitsaky ny kamiao tamin’izany. Mba tafala ilay mpitondra moto, fa potika tanteraka kosa anefa ilay kodiaran-droa. Araka ny fanazavana, nisongona tany amin’ny havanana ilay moto, ka voasarik’ilay kamiaobe tampoka. Soa ihany fa afaka ny mpitondra moto fa raha tsy izany, dia ny fatiny no noraisina. Ny fisongonana havanana izay fanaon’ny mpitondra moto eto an-drenivohitra, kanefa tsy azo atao mihitsy, fa sady mitera-doza no tsy mifanaraka amin’ny lalànan’ny fifamoivoizana. Eo ihany koa ny fisisihana isaky ny elakelam-piara. Loza avokoa no aterak’izany rehefa tsy mifanaja sy tsy manaraka izay lalànan’ny fifamoivoizana ny rehetra, indrindra ny moto.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici