Amin’ny andro atoandrobe nanahary no nitranga ny fanendahana. Tokony ho tamin’hy folo ora raha araka ny fanazavan’ny niharan’izany. Roa lahy izay nitazona antsy maranitra no tompon’antoka. Ilay kitapo izay tao an-damaosin’ilay olona no tena nataon’ireo lasibatra. Ny vola izay vao avy nalaina, kara-panondro sy taratasy famantarana hafa ary finday ireny tsara marika ireny no tao anatiny. Nambanana tamin’ny antsy ny olona ary norahonana hotsatohana amin’izany raha vao tsy manaraka ny toromarika. Tsy misy azo natao ankoatry ny nanome ilay kitapo. Vao azo izay dia tao anatin’ny segondra vitsy monja dia efa nanjavona tany anelakelan-tranon’Andravoahangy tany izy roalahy olon-dratsy. Miompana amin’ny fikarohana ireo farany avy amin’ny alàlan’ny fanadihadiana tamin’ny laharana Imei an’ilay finday no tena andrandrain’ny voaendaka ankehitriny. Vao andro vitsy talohan’io nanjo azy io no novidiana ilay finday, raha araka ny fanazavany ary mbola tokony ho tadidy ny laharana Imei. Tokony afaka manampy amin’ny famantarana ireo mpanendaka koa ny fisian’ny sary azon’ny vidéosurveillance amin’ny tranga toa itony. Betsaka ihany mantsy ny birao eo amin’ny manodidina izay manana ireny fitaovana ireny. Midika izany rehetra izany fa efa tena tokony ampiasaina amin’izay ny teknolojia amin’ny fanadihadiana mahakasika ny fanendahana izay tsy mety tapitra mihitsy eto an-drenivohitra ary efa mitady ho lasa tafiditra ao anatin’ny fiainana andavanan’andron’ny mponina aza. Vao tamin’ny alakamisy teo anefa no nisy mpanendaka maromaro voasambotra ary ny tena nahatalanjona tamin’izy ireto dia tsy ampy taona avokoa. Tsy niandry ela taorian’izay dia efa nisy indray ny voaendaka. Toa mahalasa ny fisainana indraindray hoe sao mba kolointsain’ny sasan’ny izay mipetraka eny ny asa fanendahana.
D.R