- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndrefan’Ambohijanahary : Lehilahy maty an-dàlana tamin’ny fomba nampiahiahy

Andrefan’Ambohijanahary : Lehilahy maty an-dàlana tamin’ny fomba nampiahiahy

Mora mikoropaka sy misahotaka tokoa ny  olona, amin’izao fisian’ny valan’aretina pesta eto amintsika izao. Toy ity tranga iray niseho tetsy Andrefan’Ambohijanahary, ny antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany teo. Lehilahy iray  manodidina ny 40 taona any ho any, izay nambaran’ireo nanatri-maso fa nikohaka sy nandoa rà no nidaraboka teo amoron’arabe sy tapitr’aina nony kelikely teo. Tsy fantatra izay antony, hany ka niteraka sahotaka t amin’ireo mponina teny amin’ny manodidina izany. Matetika dia sokajian’ny olona ho voan’ny pesta avokoa amin’izao fotoana izao izay  marary, tsy dia fantatr’antony loatra,fa indrindra moa ka hoe nikohaka, nisy rà ary namoy ny ainy.  Tsy vitsy araka izany ny nandositra kanefa tao kosa ireo nanam-piniavana ny saika hanavotra ity rangahy ity, saingy tsy nisy azo natao intsony. Araka ny fitantaran’ireo nahatsikaritra ity rangahy ity tam-boalohany, dia toa hoe nihetsika aretina izany izy. Niakarapoka ary nianjera. Tamin’io fotoana io no nidona tamin’ny sisin’arabe ny lohany. Tafarina ihany anefa izy taorian’izay, ary niezaka ny handeha sy hiampita ny arabe. Nony tonga teny am-pita anefa izy no io hitan’ny olona toa hafahafa io. Nidaraboka fanindroany ary namoy ny ainy nony avy teo. Raha ny angom-baovao azo, dia mponina eny amin’iny faritra iny ihany ity lehilahy ity ary manana aretina mitaiza. Nantsoina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra ary tonga naka ny razana teny an-toerana ireo avy ao amin’ny Bmh.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici