- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriamena-Betsiboka : Ady amin’ny asan-dahalo, efa maro ireo voasambotra sy matin’ny zandary

Andriamena-Betsiboka : Ady amin’ny asan-dahalo, efa maro ireo voasambotra sy matin’ny zandary

« Miady amin’ny asan-jiolahy na ireo madinika izany, na ireo jiolahy mpitondra basy manafika, izahay araka ny baikon’ny minisitray».  Izany no nambaran’ny Lt Razafimamonjy Richard, misahana ny Zandary ao amin’ny Kaominina Andriamena. Ny herinandro lasa teo, dia nanamafy ny fanangonam-baovao ny zandary, notarihan’ny any an-toerana, indrindra amin’izao famakiana ady ataon’ny jiolahy amin’ny mpitandro ny filaminana izao. Vokany : nisy ny fahatrarana basy poleta iray vita gasy sy bala roa entina manafika sy mangalatra omby, tao anatin’ny fisavana ny tranon’ny lehiben’ny dahalo antsoina hoe Del, tao amin’ny fokontany Ambodiketsa, kaominina Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna. Marihana moa fa tafaporitsaka ilay lehiben’ny dahalo nandritra ny fisavana nataon’ity manamboninahitra ity sy ireo zandary roalahy niaraka taminy. Tamin’ny herinadro iny ihany dia dahalo roa sahady no maty tao anatin’ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tao amin’ny toerana antsoina hoe Manakana, vohibohitrana Isioka , ary tafaverina amin’ny tompony ny 128 nangalarin’ireo malaso. Ny angom-baovao ihany no nahalalana fa ny ekipan-dRadel no nanafika tokantrano iray tao Tsaratanàna izay nahavery ny vola maty ny tontolo andro. Mbola misy basy hafa mbola tadiavina, fa hoentina hanaovana «mission», isan’izany koa ireo basy kalaky fampiasan’ireto jiolahy heverina araka ny vaovao fa hofain’izy ireo aman’olona. Ary ireto moa ireo dahalo mampihorohoro sy mampitondra faisana ny vahoaka ato anatin’ny disitrikan’i Tsaratanàna. Ireo no tena manahirana ny mpitandro ny filaminana ao Tsaratàna. Manano sarotra ny fitadiavana azy ireo satria matetika, raha ny angom-baovao azo dia toa hoe afenin’ireo olona ao amina fokontany iray any amin’iny faritra iny, noho ireo olona ireo manana havana ao. Tsy sahy miteny ny olona fa ny mampandositra azy rehefa misy fitadiavan’ny Zandary azy ireo.

Ratantely 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici