- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndriba-Maevatanàna : Andian’olona nirohotra teo amin’ny kaominina

Andriba-Maevatanàna : Andian’olona nirohotra teo amin’ny kaominina

Niara-nirohatra teo anoloan’ny biraon’ny kaominina ireo mpanao fihetsiketsena mitaky ny fanalana an’Atoa ben’ny tanàna. Ny Zoma 03 Aprily taona 2026 lasa teo iny, tokon’ny tamin’ny 03 ora tolakandro no niara-nirohatra teo anoloan’ny biraon’ny kaominina Andriba manohy ny hetsika fitakiana fanalana ny ben’ny tanàna, ireo mpanao fihetsiketsena manohatra ny fipetrahan’Atoa ben’ny tanàna amin’ny toerany. Siotsioka sy fitsofana kiriorioka no re nandritra ny hetsika hita no niampy fampafantarana sorabaventy sy fandoroana kodiarana, teo anoloan’ny biraon’ny kaominina. Efa tazana nandritra ny hetsika fitakiana fanalana an’Atoa ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Andriba ihany koa ny Zandary miasa ao an-toerana mba handrindra ny filaminana mety hisian’ny fihoaram-pefy, ary ny faneligelenana ny filaminam-bahoaka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa nilaza ny hanohy ny hetsika mandra-pisian’ny vokatra azo ny mpanao fihetsiketsena noho ny fanararaotam-pahefana sy fanodinkodinana fananam-bahoaka ataon’Atoa ben’ny tanàna, izay nolazain’ireto farany fa hananany porofo hatrany. Namafy hatrany ny mpanao fihetsiketsena tamin’ny alalan’ny ny teny nanao hoe: tsy misy hidiran’ny firehana politika izao hetsika fitakiana fanalana an’Atoa ben’ny tanàna izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici