- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAndriba Maevatanàna : Mbola tsy votsotra hatreto ilay mpandraharaha

Andriba Maevatanàna : Mbola tsy votsotra hatreto ilay mpandraharaha

Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ilay mpandraharaha nisy naka an-keriny, ny alin’ny alahady teo. Hatreto dia mbola tsy votsotra izy, hoy ny fampitam-baovao any an-toerana. Tsiahivina, fa mitaky vola 800 tapitrisa ariary ireo andian’olon-dratsy naka takalonaina azy, ho solon’ny famotsorana azy. Hatreto anefa dia mbola tsy voaangon’ireo fianakaviana io volabe io. Etsy andanin’izay anefa, fantatra fa tafaresaka minitra vitsy monja tamin’ireo fianakaviany ity mpandraharaha tany amin’ny toerana nitazon’ireo olon-dratsy azy tany. Toa hoe nasain’ireo olon-dratsy niantso ny fianakaviany mantsy izy, hanery ireo farany hanangona haingana ilay vola.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici