Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo mpitandro ny filaminana raha tsy voasambotra ireo olona miisa dimy tompon’antoka tamin’ny famonoana mpandanja volamena tao Antsirasira, tamin’ny 28 jolay lasa teo. Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olon-tsotra ny Zandary avy ao Andriba fa misy olona dimy lahy nampiahiahy tany amin’ilay toerana voalaza etsy ambony, ny herinandro lasa teo. Tany amin’iny faritr’Andriba iny no voasambotry ny fokonolona sy ny mpiray dina ary ny miaramila izy dimy ireto, ary efa namoahana didy fampisamborana. Teny am-panaovana fisafoana ny miaramila ao Antsirasira no naheno vaovao momba azy ireo. Ireto farany no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny famonona an’Atoa François, tao Antsirasira, fokontan’Antsitabe, any amin’ny kaominin’Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nentin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpiray dinam-pokonolona niverina aty Maevatanàna avy hatrany izy dimy ireto. Notazonina amin’ny fonjakelin’ny Zandary eto Maevatanàna ireo olona ireo sady hatao famotorana. Araka ny vaovao voarainay hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra dia hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha, aorian’ny fanadihadiana azy roa.
Ratantely