- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAndriba RN4 : Fakàna an-keriny niafara tamin’ny fanafihana taxi-brousse

Andriba RN4 : Fakàna an-keriny niafara tamin’ny fanafihana taxi-brousse

Efa nitrangana fakàna an-keriny ihany koa tao amina tanana iray tsy lavitra ny tetezan’i Betsiboka, tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. (sary : internet)

Mpandeha iray no maty tsy tra-drano voatifitra, iray hafa naratra mafy. Mpandraharaha iray no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny izay hitakian’izy ireo vola 800 tapitrisa ariary. Ireo no vokatry ny fanafihana nataona andian-jiolahy tao Andriba ny alahady alina teo.

Nisahotaka tanteraka ny tao amin’ny tanan’Andriba, amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny alahady tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo ho eo. Andian-jiolahy manodidina ny telopolo teo no tonga nandrava ny tanana, ary ihany koa nitifitra ireo fiara rehetra nindrana ny RN4 tamin’io alina io. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia tonga hanantanteraka fakàna an-keriny mpandraharaha amina resaka volamena iray teny an-toerana ireo olon-dratsy ireto. Nivantana avy hatrany tany amin’ny tranon’ity mpandraharaha ity izy ireo saingy tsy tao an-toerana ity farany. Romotra tamin’izany ireto olon-dratsy ka niantsampy tamina olon-kafa iray tao an-toerana. Mpandraharaha ihany koa izy io ary manana ny lazany any amin’iny faritra iny.

Tamin’io fotoana io dia nizara roa ireo olon-dratsy ka ny sasany niambina tety ivelany ary ny hafa kosa avy hatrany dia niditra an-keriny tamin’ny tranon’ilay rangahy. Nandritra izany anefa, nisy fiara iray, izay voalaza fa nitondra havan’ity tompon-trano ity, avy any Ambositra ho any Mahajanga nijanona teo amin’ilay toerana notafihan’ireo jiolahy. Mahina avy hatrany ireto farany ka nitifitra tsy am-pihambahambana an’io fiara io. Bala roa no niantefa teny amin’ny fitaratra alohan’ny fiara. Soa fa ny fitaratra ihany no vaky ary tafatsoaka haingana koa ilay fiara. Taorian’io dia nisy fiara tsy mataho-dalana iray nandalo. Norarafan’ireo olon-dratsy ny bala ihany koa saingy tafaporitsaka ihany koa. Tandahatra taxi-brousse avy any Maevatanana, hitodi-doha aty an-drenivohitra no tsy afa-niala intsony tamin’ny tifitra varirarak’ireo olon-dratsy. Ilay fiara fitateram-bahoaka teo aloha no voa mafy. Mpandeha roa no fantatra fa voan’ny bala ka ny iray no namoy ny ainy avy hatrany. Ilay iray kosa naratra mafy ary mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly.

Fa tao anatin’izany rehetra izany dia efa nahatanteraka ny asa ratsiny ireo naka an-keriny an’ilay mpandraharaha. Lasan’izy ireo ilay raim-pianakaviana. Ora maromaro taorian’ny nitrangan’ity fanafihana ity no nifandray tamin’ireo fianakavin’ity rangahy lasa an-keriny ity ireo olon-dratsy ary io vola 800 tapitrisa ariary io no takian’izy ireo ho solon’ny famotsorana azy. Hatramin’ny omaly dia fantatra fa mbola voatazona ilay mpandraharaha. Miezaka manangona ilay vola kosa ireo fianakaviana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tamin’iny faritra iny, miezaka mikaroka ity olona lasa takalon’aina ity.

m.L / Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici