- Publicité SW45 -
mardi, octobre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndro fahatsiarovana ny maty teto Toamasina : Misy hatrany ireo mangalatra voninkazo...

Andro fahatsiarovana ny maty teto Toamasina : Misy hatrany ireo mangalatra voninkazo sy labozia

Efa nitobaka izay tsy izy ireo mpivarotra voninkazo sy mpivarotra labozia, samy amin’ny endriny sy ny lokony. Efa nanatona teny amin’ireo fasana mihitsy izy ireo, noho ny vanim-potoanan’ny talata teo nentina nankalazana ny fetin’ny maty teto Toamasina. Akory anefa ny hagagan’ny mpanao gazety raha nanatona ireo toeram-pandevenana miisa dimy tantanan’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, raha nanontany ireo ny ankamaroan’ireo fianakaviana namangy ny havany efa nodimandry, fa tsy nisy hita intsony ireo fehezam-bonikazo sy ireo labozia napetraka tamin’ny fasana. Raha ny nambaran’ity fianakaviana mijoro vavolombelona tojo ny mpanao gazety teny amin’ny fasam-bahiny Anjoma, dia hoe “efa ny alahady teo izahay no tonga nametraka fehezam-bonikazo sy labozia tety, ary niverina izahay izao fa mbola misy fianakaviana avy lavitra tsy tonga, nefa te-hanatitra fehezam-bonikazo sy labozia ihany koa.”; hoy hatrany ireto fianakaviana ireto “akory anefa ny hagaganay fa tsy nisy hita popoka avokoa ireo fehezam-bonikazo tsara tarehy sy ilay labozia mirenty nentinay ho an’ny havanay efa nodimandry”. Ankilan’izany dia nitohy hatrany ny vaovao azo fa tsy ireo fehezam-bonikazo sy labozia mirenty ihany, fa hatramin’ireo sakafo natokana no maty ho an’ny finoana silamo sy ny sinoa, satria mazana dia manatitra sakafo matsiro ho an’ireo havany efa maty izy ireo, arakaraka ny tiany fony fahavelony. Nisy moa nanao vazivazy nataon’ireo fianakaviana ireo nilaza fa efa noana marina ny Gasy, ka izay ahazoam-bola sy sakafo efa natokana ho an’ny maty avy dia efa angalariny…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici