Hetsika maroloko no nentina nanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny Alika izay natao teto Atsirabe. Nanoloana ny gara no nananterahana izany ny faran’ny volana Aogositra lasa teo. Nahaliana ny maro ity hetsika ity satria tsy dia mbola fahita firy loatra raha eto Antsirabe sy ny manodidina. Tsara anefa ny manamarika fa efa mivelatra ary maro ireo mpisehatra, misy mihitsy aza no manao fihariana ity fimpiona alika ity satria lafo dia lafo ny hamarotana zanaka alika iray, rehefa avo razana ity farany.
Ilaina fikarakaraka lalina anefa izy ireny, ilaina fitandremana ihany koa ny mitaiza azy, isan’ny nisongadina izany tamin’ny fandraisam-pitenana nandritra ny fanamarihana. Zava manan’aina ny alika, manana ny toerany eo amin’ny fiainan’ny olombelona, miaro, misava lalana, manao tsongo-dia ary afaka manavotr’olona anaty loza mihitsy. Mila fikarakarana noho izany ny alika fa tsy azo atao ambanin-javatra ny fahasalamany sy fiarovana azy.
Tsiahivina fa mankalaza ity daty ity isan-taona ny eo anivon’ny fikambanana mpitia sy mpikarakara alika na ny “Associations des cynophiles de Madagacar” izay eo ambany fitantananan’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ao anatin’ny “membre de la federation cynologique internationale”.
Ankoatra ny diabe, fampisehoana ny fomba fifandraisan’ny olona sy ny alika ary fampahafantarana mahakasika ny tontolon’ny alika dia nisy ihany koa ny fanaovana vakisiny ireo alika hiadiana amin’ny haromontana.
Andry N.




