- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndroafiamadinika-Maevatanàna : Dahalo iray maty voatifitry ny fokonolona.

Androafiamadinika-Maevatanàna : Dahalo iray maty voatifitry ny fokonolona.

Efa manomboka malilo sahady indray ny sofina amin’ny fandrenesana fanafihana mitam-basy, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Mandray andraikitra ihany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpitandro ny filaminana, saingy toa tsy mahasakana ny fanohizan’ny mpanao ratsy ny asany izany. Vao tsy ela akory izay, tamin’ny Zoma 29 Martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva, tao amin’ny fokontany Androafiamadinika, kaominina Maevatanàna voalohany, dia dahalo 13 lahy nirongo fiadiana maromaro no nanafika tany an-toerana. Nanao ramatahora ny mponina tamin’ny alàlan’ny poa-basy sy fitsofana kiririoka izy ireo. Tsy nisy sahy nivoaka ny tranony ny fokonolona nanoloana izany, ka nandritra izany no nanararaotan’ireo olon-dratsy namoahana ny omby tany am-bala. Soa ihany fa mailo ny fokonolona teo an-tanàna, izay nakatoerana nahafahana nitifitra ireo jiolahy. Teo no nisian’ny fifampitifirana efa naharitra minitra maromaro. Dahalo iray maty voatifitra teo amin’ny fony. Ary voatery tsy maintsy nandositra ireo malaso 12 lahy ambiny niaraka tamin’ny basy nentiny, hoy ny fampitam-baovao avy tany an-toerana. Azo avokoa ny omby rehetra izay nokasainy  halaina tamin’izany, ary efa natolotra ny tompony. Tsy nisy aina nafoy na naratra ireo fokonolona nandritra ny fifandonana. Manoloana izany,  dia very fanahy ny mponina ato amin’ny kaominina Maevatanàna voalohany. Iza no hianteherana ? Samy miandry ny vahaolana mahakasika io tsy fandriampahalemana io na ny mponina an-tanàn-dehibe eto Maevatanàna na ireo any am-banivolo.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici