Ny marainan’ny alahady teo no nisy nahita ny faty. Lehilahy iray no natsingevan’ny rano teo Androhibe. Raha ny fahitàn’ny olona azy dia tsy nisy nipika ny zavatra teny aminy. Isan’izany ny vola 40.000Ariary izay raha mpanendaka no nahita izany dia iny no nahamay azy. Na izany aza dia tsy nisy taratasy hafa nahafantarana an’io olona io teny aminy. Ny manodidina ny teo an-toerana koa dia tsy nisy nahafantatra ilay olona. Nantsoina ny mpamonjy voina ary izy ireo no nampiakatra ny razana an-tanety. Hatramin’izao dia tsy fantatra ny momba ny maty ary handrasana arak’izany ny fangalàn’ny fianakaviany ny razana. Naterina eny amin’ny tranom-paty arak’izany rehefa vita ny fitsirihana rehetra izay nataon’ny « légiste » sy ny mpitandro ny filaminana. Nisy namono ve sa kosa nisy aretina nitaiza ary nihetsika tampoka ka nitarika ny tsy fahatsiarovany tena ka nahafaty azy? Inona no nahatonga azy ho tao anaty rano no hita faty? Marobe ny alehan’ny fanadihadiana izay efa nisokatra ankehitriny.
D.R




