- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAndrohibe : Zazakely maty natonta teo ambony kianja filalaovam-baolina

Androhibe : Zazakely maty natonta teo ambony kianja filalaovam-baolina

Zazakely iray vao telo volona monja, no maty natonta teo ambony kianja filalaovam-baolina, teny Androhibe. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ny reniny ihany no voalaza fa nanao izany. Ny alatsinainy alina tokony ho tany amin’ny 10 ora, naharay antso avy ao amin’ny tompon’andrikitry ny fokontany eny an-toerana ny mpitandro filaminana eny Analamahitsy, fa misy zavatra mitranga eny Androhibe. Nidina teny an-toerana ry zareo ary nahita ilay zazakely efa tsy misy aina intsony. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana mikasika izao zavatra izao. Fotony, mpivady tsy nifanaraka intsony no nahatonga izao zavatra izao. Niteraka an’io zaza io izy mivady. Niseho anefa ny disadisa taty aoriana satria nanana sakaiza ilay lehilahy. Ny vaovao hatrany no hilazana fa tsy miafina amin’ny vady renin-janany izy amin’izany fa toa vao mainka aza ataony fantatr’ilay ramatoa. Misy fotoana, entin’ilay rangahy any amin’ny sakaizany ilay zazakely ary ity farany no nanome nono azy. Tsikaritr’ilay vady tao an-trano izany ka notratrariny ireo mpisakaiza. Nalainy ny zanany, nentiny nandeha ary dia natontany teo amin’ilay kianja filalaovam-baolina. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny avy ao amin’ny BC Anosy. Tonga teny an-toerana ry zareo ny alin’ny alatsinainy nizaha ny zava-nisy.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici