- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndrondra : Ankizilahy kely 11 taona maty, main’ny herinaratra

Androndra : Ankizilahy kely 11 taona maty, main’ny herinaratra

Zava-doza no niseho omaly teny Androndra Ampamantanana. Zazalahy kely 11 taona no niraikitra teo amin’ny andrin-jiro iray, main’ny herinaratra. Nentina novonjena teny amin’ny hôpitaly ihany ity ankizikely ity fa indrisy fa efa tsy tana intsony ny ainy. Ny zava-nitranga : misy andrin-jiro iray vita amin’ny vy, izay nambaran’ny mponina fa indraindray dia misy herinaratra, eny an-toerana. Eo ambanin’io andrin-jiro io anefa dia misy « dalle » tsy misy sarona, izay tsy maintsy lalan’ny olona ihany koa. Tsy maintsy mitsambikina araka izany izay olona mandeha eo ary ireo izay tsy mahatana dia tsy maintsy mamikitra amin’ilay andrin-jiro. Ary izay no nahazo ity ankizilahy kely izay, avy nilalao teny amin’ny manodidina ka an-dalana hamonjy fodiana. Raha ny fahitan’ireo mponina azy dia tsy ilay herinaratra tsotra no amin’ity andrin-jiro ity fa ilay herinaratra matanjaka. Avy hatrany dia niraikitra teo amin’ilay nahavoa azy ity ankizy tsy manan-tsiny, ary vetivety teo ihany dia maina. Samy taitra avokoa ny rehetra nahita ny loza niseho, ary niezaka namonjy ilay ankizy. Saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany dia efa nampilazàna mahakasika ny fisian’ity andrin-jiro mampidi-doza ity ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy kanefa tsy nisy taitra. Eny fa na dia efa fanintelony amin’izao aza ny ankizikely main’ny herinaratra teo, raha ny fantatra hatrany. Saingy ity farany ity no namoizana aina tsy manan-tsiny iray.  

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici