- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAndrondra : Lehilahy maty feno tsatoka antsy

Androndra : Lehilahy maty feno tsatoka antsy

Enina ny dian’antsy hita tamin’ny vatany. Ny alin’ny alatsinainy manodidina ny tamin’ny valo ora sy sasany no nitranga ny heloka bevava niafara tamin’ny fahafatesan’ity tovolahy tombanana ho maherin’ny roapolo taona ity. Raha araka ny fanampim-baovao mahakasika ity raharaha ity dia sompatra no anton’ny famonoana. Tsy nisy zavatra firy very mantsy teny amin’ilay tovolahy ary etsy andanin’izany, nisy ny nilaza fa olona mpiray tanàna aminy ihany no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. Tsy hita io olona ahiana io hatramin’ny omaly ary mandeha araka izany ny fikarohana azy. Na izany aza dia efa nosokafana koa ny fanadihadiana eny an-toerana izay mety hanampy amin’ny fitadiavana ny nahavanon-doza. Mirongatra tato ho ato ny heloka bevava, asa mety misy ifandraisany amin’ity fiparitahan’ny zava-mahadomelina ve ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici