Amin’ny ora anoratanay dia mbola mitohy ny savahao ataon’ny pôlisin’ny UIR eny Androndra. Ny trano noahiahiana dia nosavaina ary torak’izany ihany koa ny kizo ahiana ho fieren’ny jiolahy. Ny sabotsy maraina teo dia nisy roa lahy saron’ny pôlisy niaraka tamin’ny basy roa. Nilaza izy ireo fa mbola misy namany hafa miriaria any an-toeran-kafa miaraka amin’ny basy. Nanomboka ny ampitson’io dia efa nisy ny fanaraha-maso akaiky natao ary nipoitra tokoa ny telolahy hafa. Raikitra ny fifanenjehana ny harivan’ny omaly ary tafiditra hatrany anaty tokotanin’olona ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana teo ary lavo ny iray tamin’izy ireo. Nitohy hatrany ny fifanenjehana ka tokony ho tamin’ny valo ora alina dia mbola nisy iray voasambotra hafa indray. Ny iray kosa mbola nifampitadiaviana eraky ny tanàna. Raha ny fantatra dia mbola saika hanatontosa fanafihana teo Androndra ireo olona ireo omaly no nifanehatra tampoka tamin’ny pôlisy.
D.R