dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAndron’ny 08 martsa eto Toamasina : Nanao asa sosialy ny APF-SPAT…

Andron’ny 08 martsa eto Toamasina : Nanao asa sosialy ny APF-SPAT…

Taorian’ny asa sosialin’ny Fikambanam-Behivavin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina, APF-SPAT, tao amin’ny fonjaben’i Toamasina ny alahady teo, dia teny amin’ny “Maison de Charité” Tanamakoa akaikin’ny Dojo Soavita indray no nanaovan’ireo izany asa sosialy fanaony izany.

Nanampy ity ivontoerana ity ara-tsakafo ireto fikambanana ireto, satria nisy ny fanolorana vary sy sakafo samihafa natao. Andriambavinilanitra 25 eo ny mpikambana ao anatin’ny fikambanana APF-SPAT, ka olona tra-pahasembanana narian’ny ray aman-dreniny tezain’ity ivontoerana ity miisa 22 mianadahy no notolorana izany, miaraka amin’ireo mpitaiza azy ireo miisa 05 ary ireo mpiasa an-tsitra-po mifandimby miisa 03. Natao izao fanampiana izao, hoy ny filohan’ny fikambanana APF-SPAT, noho ny fahatsapana ny fahasiranan’ireto mpitaiza zaza sembana narian’ny ray aman-drenin’ireto, satria amin’izy ireto dia “fanaovana asa soa ho an’ny mpiara-belona ny fankalazana ny andron’ny 08 martsa izany”, fa tsy fanaovana filaharam-be fotsiny. Nomarihiny ihany koa fa raha ny fikambanam-behivavy miisa 179 misy eto Toamasina no samy manao asa soa avokoa koa ho an’ny mpiara-belona amin’ny maha reny azy ireny, dia handroso haingana ny firenena malagasy.

Ankilan’izany anefa dia manaja ny miralenta koa ny APF-SPAT, satria ilaina hatrany ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy amin’izay rehetra atao, raha tiana ho vanona sy ho tontosa izany rehetra izany. mpikambana eo anivon’ny fikambanamben’ny seranan-tsambo eran-tany sy aty amin’ny fari-dranomasina Indiana koa ny fikambanan’izy ireo, ary efa maro ny fanofanana azo momba izany na dia vao ny taona 2020 aza no niorenan’ny fikambanana APF-SPAT.

Ankoatra izay dia misy koa ny fotoam-bavaka ho fangantaham-pitahiana momba ny fankalazana ny andron’ny 08 martsa sy ny tanindrazana, ny alarobia teo. Teo koa ny varotra fampirantiana eo anoloan’ny lapan’ny tanana andraisan’ireo faritra 24 anjara nanomboka omaly.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici