
Nahery vaika indray ny fifandonana teo amin’ny zandary mpanara-dia sy ny dahalo, tany amin’iny faritra Androy iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Na izany aza, nisy ny vokatra : dahalo efatra no tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny ary omby an-jatony any ho any tafaverina tamin’ny tompony.
Ireo fitaovam-piadiana vaovao sy matanjaka no nampiasain’ireo mpitandro filaminana tamin’ity fifandonana ity, ary dia izao nahazoana vokatra izao. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nitrangana halatr’omby mahery vaika tao amin’ny fokontany Behara, kaominina Tanandava, distirka Bekily, ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any. Raha vao nahare an’io ireo zandary avy amin’ny tobim-paritra Beraketa, avy ao amin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny faritra Androy, dia nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany, nampian’ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny Usad (vondrona manokana miady amin’ny asan-dahalo) ary nidina tany an-toerana. Efa dila ireo dahalo tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana ary hita tamin’izany, fa omby manodidina ny fito vala, izay mitotaly 133 any no lasan’ireo malaso. Raikitra teo ny fifanenjehana sy ny fanarahan-dia nampian’ireo fokonolona tany an-toerana. Voalaza fa teo amin’izany kizo (tanana na toerana iray fanafenan’ny dahalo omby), antsoina hoe Antsary, ao amin’ny fokontany Benato, kaominina Beraketa, no nifanehitra ireo mpangalatr’omby sy ireo mpanara-dia. Iretsy voalohany moa, raha vao nahita ireo zandary, dia nitifitra avy hatrany. Voatery niaro-tena tamin’ny fitaovana teny am-pelan-tanany rahateo ireto mpanara-dia ary namaly tifitra. Nahery vaika ny fifandonana, saingy efa matihanina sy za-draharaha ary mbola niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana vaovao kosa ireo mpitandro filaminana, dia tsy ela dia nilavo lefona sy nilefa nitsoaka avokoa ireo dahalo. Vokany, nisy efatra tamin’ireto farany no maty voatifitra, ary saika azo avokoa ireo omby nangalarin’izy ireo. Nentina niakatra tao amin’ny tobin’ny zandary tao Beraketa moa ireo omby azo ary efa samy naverina tamin’ny tompony avokoa. Marihana, hoy ny fampitam-baovao fa ambonin’ireto omby 113 azo ireto, dia efa nisy vokatra azon’ireo zandary sy ny Usad ihany koa ny alakamisy lasa teo, tany an-toerana. Omby 120 indray tamin’io fotoana io no tafaverina tamin’ny tompony.
m.L