- Publicité SW45 -
mercredi, novembre 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndroy : Miha-mahazo vahana ny fanapahan-doha

Androy : Miha-mahazo vahana ny fanapahan-doha

Atao inona sa inona loatra ny antony ? Na ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana aza dia mbola mametra-panontaniana mahakasika ity tranga iray iray mitady hahazo vahana any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny. Tranga roa mantsy izay no nisy tamin’ity taona ity tany amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny. Ny farany, dia izay nitranga ny alahady lasa teo, tao Andranonagnome, kaominina Marovato, distrikan’i Tsihombe, faritra Androy. Vehivavy voalaza fa marary saina teto no lasibatra : notapahina ny lohany. Ny ampitson’io moa, izany hoe ny alatsinainy ny zandary tany an-toerana no nahazo antso ary nidina haingana tany an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo hijery ny zava-nisy marina. 

Hatreto tsy mbola fantatra mazava izay tena antony, ny zava-niseho nahatonga ity habibiana tsy roa aman-tany ity. Na izany na tsy izany aza anefa, nahetsika avokoa ireo olombelona eo anivon’ny zandary any an-toerana hanao ny fikarohana ireo izay nahavanon-doza sy hanokatra ny fanadihadiana mahakasika izany tranga izany. Misy ny fanakanana sy ny fisavàna ireo mpandalo amin’ireo faritra rehetra manodidina ilay tanana misy ity vehivavy notapahin-doha ity, toy ny ao Ikopoky, Beloha ary Antanimora.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Inona no andrasana ?
    Andrasana ho faty avokoa va ny olona miaina ao anaty tahotra sy alahelo vao hisy fandraisana andraikitra mifanitsy @ny tokony atao?
    Avereno malaky ny: exécution après condamnation à mort.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici