Ny faran’ny herinandro teo dia nisy nanafika ny tahiry iombonan’ny tantsaha tao amin’ny kaominina Anjahamana Brickaville, izay ivon-toerana fivondronan’ireo tantsaha amin’ny fitehirizana ny volany sy ifampisamboran’izy ireo vola amin’ny asa fambolena sy ny fiompiana fanaon’izy ireo ihany koa. Miara-miasa amin’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ODDIT izy ireo amin’izany, ka efa miroborobo be izany izao ka mahatratra manodidina ny 50 tapitrisa ariary ny tahirin’ireto tantsaha ankehitriny. Raha ny fanazavan’ny zandary niatrika ny zava-nisy tany an-toerana dia niisa 10 ireto andian-jiolahy nirongo basy ireto, izay tena andian-jiolahy avy ao Ambatondrazaka sy Toamasina II ary Toamasina I izy ireto. Tafatsoaka ireto andian-jiolahy ireto taorian’ny fanafihan’ity kaoperativan’ny tantsaha tao Anjahamana ity, ka tovovavy roa mpanatitra sakafo azy ireo tany anaty ala no tratra mbola niaraka tamin’ireo sakafo avy novidiana saika haterina tamin’ireto andian-jiolahy ireto. Nanomboka teo ny fifanenjehana teo amin’ireto andian-jiolahy ireto sy ny zandary, izay tonga tamin’ny fitetezana ny lakandranon’ny pangalana mihitsy ny talata alina sy nitohy ny alarobia maraina izany. Ankilan’izay anefa dia nahazo vaovao ihany koa ny polisy ka nanetsika ny FIP sy ny UIR izy ireo, satria mbola nanao fanafihana tokantrano maromaro tamin’ireo Tanana sy kaominina manamorona ny lalam-pirenena faha-02 iny koa ireto andian-jiolahy ireto, ka isan’ny lasibatra tamin’izany ny tao Ampasamadinika – Amboimarina – Sahavandana…miisa 07 ireo fivarotana sy ireo tokantrano voatafika izay naharatrana olona tamin’ny tifitra basy “caliber 12” fampiasan’izy ireo, izay mbola mitsabo tena ao amin’ny hopitaly be ny 03 amin’izany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny polisy tamin’ireo filoham-pokontany sy ny andrimasom-pokonolona dia nisy ny vokatra azo omaly antoandro; isan’izany i Goly James 18 taona sy Rira Lalaina 20 taona; taorian’izany voasambotra koa Ingahy Roméo Stephan, 43 taona, izay mpiasa amina tetikasa iray eto Toamasina, izay mahalala tsara iny Toamasina II ilany atsimo iny. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikarohana ny naman’izy ireo satria mbola andian-jiolahy fito no mbola karohina, efa fantatra ny momba azy ireo rehetra izao…
Malala Didier