- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjanahary Andrasan’ny mpanendaka amin’ny sabatra ny mpandeha an-tongotra

Anjanahary Andrasan’ny mpanendaka amin’ny sabatra ny mpandeha an-tongotra

Amin’ny fito ora hariva, teny amin’iny faritra Anjanahary iny. Na dia mbola azo lazaina fa somebiseby olona maika hamonjy fodiana aza amin’izany fotoana izany dia efa somebiseby sy mihaodihaody teny an-toerana ihany koa ry zalahy « mpanamboatra ». Miandry ireo olona sendra mandeha irery amin’ny antsy lavalela, amin’ny fotoana mahavitsy ny mpandeha. Soa ihany fa polisy no nifanena tamin’ity ranamana ity ny alatsinainy hariva teo.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, noho ny fahamaroan’ny fitarainana azo, dia misy hatrany ny fisafoana tsy tapaka ireo toerana voalaza fa anjakan’izany amin’ireo faritra maromaro eto an-drenivohitra. Raha ho an’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo manokana, dia misy foana ireo pôlisy mivezivezy amin’ireo toerana rehetra iandraiketan’izy ireo, ary mitohy tsy an-kijanona na antoandro na alina. Iarahan’izy ireo misalahy amin’ny hery vonjy taitran’ny pôlisy moa izany. Tamin’izany indrindra, tamin’io alatsinainy io, no nifanena tamin’ity tovolahy iray, izay kaodikaody tanteraka sy hafahafa fihetsika izy io. Toa miezaka manafina zavatra anaty akanjony any. Vao nanatonana rahateo moa dia raikitra nanao tari-dositra avy hatrany ka nifanenjehana. Voasambotra tsy lavitra teo moa ny anao lahy, ary tamin’ny fisavàna azy no nahitàna ilay antsy lavalela tany aminy, fentiny manao ny asa ratsiny. Raha ny vaovao azo hatrany dia efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony ity tontakely ity fa efa tena raindahiny tanteraka amin’ny fanendahana eny an-toerana. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ny tenany, mba hatao famotorana. Notazomina natao andrimaso, mandra-pahatongan’ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici