- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Mpamaky fiara roa lahy voasambotry ny pôlisy

Anjanahary : Mpamaky fiara roa lahy voasambotry ny pôlisy

Maro amin’ireo tompom-piara mametraka fiara amin’ireny fiantsonana na eny amin’ny moron-dalana ireny no velon-taraina amin’ny afitsok’ireo mpamaky fiara. Tsy antoandro tsy alina fa dia ataon’ireo olon-dratsy mahita faisana mihitsy ireo fiara mipetrapetraka eny. Teny amin’iny faritra Anjanahary iny, roa lahy isan’ireo mpamaky fiara ikoizana sy nampitairana ny maro mihitsy no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo tetsy Antaninandro, ny alin’ny alatsinainy lasa teo.  « Polisy nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavaran’ny fiaran’olona mitoby amin’ilay fiantsonana, na « Parking ». Rehefa nanatona azy ireo ny polisy dia nirifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo. Raikitra ny fanenjehana ka tratehaka ireto mpamaky fiara ireto. Marihina fa mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto jiolahy ireto izao tratehaky ny polisy izao ary efa saika haka kojakojana tao anatin’ilay fiara », hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa izy roa lahy ireto ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Tamin’izany no nahafantarana, araka ny vaovao nomen’ny pôlisy hatrany, faizy roa lahy ireto no tena ikoizana amin’ny famakiana sy fangalarana ireo kojakoja amin’ny fiara mijanona amin’ny toerana fametrahana fiara toy izao eny amin’iny faritra Anjanahary iny. Mbola ao anatin’ny famotorana savaravina moa ireto tompon’andraikitra amin’izao, ary hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy roa lahy ireto, aorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici