Izany tokoa ny hoe “teny am-baravaran’ny mpamosavy no nanoko sikidy”. Lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany fahavalo Analamahitsy tamin’ny Alatsinainy 7 Aogositra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany raha saika hanedaka teny amin’iny lalana Masacr hiakatra Anjanahary iny. Fiara tsy matahodalana iray nandalo teny an-toerana no nokapokapohan’izy ireo tao aoriana. Taitra ny tompon’ny fiara rehefa naheno izany ka nijanona. Nandritra izany no nihazakazaka izy ireo nanararaotra nanao ny asa ratsy ka naka ny zavatra tao anaty fiara. Tsy nampoizin’izy ireo anefa fa polisy handeha hamonjy fodiana ity voasakana tamin’io fotoana io. Noraisim-potsiny noho izany ny iray fa tafaporitsaka kosa ny faharoa tamin’ireo jiolahy. Naterina avy hatrany teny amin’ny paositry ny polisy Anjanahary ilay voasambotra. Ity farany kosa no nanatitra azy teny amin’ny kaomisaria Analamahitsy. Ny ampitson’io ihany anefa dia voasambotra teny amin’ny lasantsy maty Mascar-Andravoahangy ilay tafatsoaka. Zatovo vao herotrerony 18 sy 19 taona ireto jiolahy ireto. Ny alarobia 9 aogositra no natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.
T.M.