- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnjanahary : Tanora mpanao haiady lasa jiolahy

Anjanahary : Tanora mpanao haiady lasa jiolahy

Mbola namaly ny iray nandritry ny fisamborana azy

Ny olona mihitsy no nanome vaovao feno ny polisy. Azo hatramin’ny sarin’ireo mpanendaka. Ny olona ihany koa no nanampy tamin’ny fikarohana izay toerana fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nohamarinin’ny polisy ny vaovao ary dia tonga tamin’ny fisamborana ireo tovolahy roa. Niainga tamin’ny fitarainana nisesisesy izay tonga teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ny fanokafana ny fanadihadiana. Tsy teny ihany fa ny teo anivon’ny fokontany Anjanahary II-N sy II-O, dia nahazo izany koa. Heverina ho feno arak’izany ny fepetra tamin’ny fanaovana haza lambo ireto jiolahy ireto. Ny fokontany, ny olon-tsotra, ny polisy dia samy nikaroka vaovao sy nanao fanaraha-maso ny tanàna. Rehefa nohamarinina rahateo, dia efa hatramin’ny volana novambra no efa nisy fitarainana momba ny olona izay voakasika. Teny Manjakaray, noho izay fiaraha-mientana izay, indrindra tamin’ny fifampizaram-baovao, no nahatrarana ny iray izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Darara. Nanomboka tamin’ny nahazoana an’io farany no nahafantarana, fa mpanao haiady eo anivon’ny fileovana iray ilay tovolahy. Rehefa natao ny fanadihadiana azy dia natazominy ho mpiray tsikombakomba taminy ny jiolahy iray hafa. Natao koa ny fisamborana io lehilahy io. Nidoboka am-ponja eny Antanimora izy ireo rehefa natolotra ny fampanoavana. Raha araka ny fanamarihan’ny polisy izay nanao ny fisamborana, dia mbola nampiasain’ny iray tamin’ireo tovolahy ny fahaizana haiady nandritry ny nangalana azy. Ny zava-misy dia tsikaritra, fa manamafy ny tenany avokoa ireo mpanao sinto-mahery mba ho fiarovana ny ainy. Ao ny mikotrana isan’andro mba ho afaka manavotr’aina rehefa misy ny fanenjehana. Ao koa ny manao haiady mba hampiasaina mandritry ny asaratsy sy hialàna koa amin’ny fisamborana.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici