- Publicité -
mercredi, septembre 16, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjiajia-Boeny : Mapiaka-peo noho ny tany fambolena lasan'ny mpandraharaha iray ireo nanamaintimolaly

Anjiajia-Boeny : Mapiaka-peo noho ny tany fambolena lasan’ny mpandraharaha iray ireo nanamaintimolaly

Ireo mpanao fihetsiketsehana.

Anisan’ny olana hatrehan’ireo tantsaha mpamboly mivelona nandritra ny taona maro tao amin’ny tanànan’i Bekisoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjiajia, distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny ny mikasika ny tanin’ny  » Colon. » Ny angom-baovao voaray no nahalalana, fa ny taona 1992 dia efa niala tsy niandraikitra ny tany fambolena ny orinasa FA.FI.FA.MA na: Fambolena sy Fiompiana amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara, saingy tamin’ny andro sy ny taona tsy nisian’ny orinasa no efa nanofa ny tany tamin’ny olona iray nilaza ho solotenan’ny orinasa ny mpamboly. Tamin’ny taona 2025 teo iny, dia nisy nivarotra tamin’ilay mpandraharaha iray, fantatra amin’ny anarana hoe: Lanto ny tany nisy nanamaintimolaly velarana 125 hektara ao Anjiajia. Ny olona nivarotra ny tany moa dia nilaza zanaky ny talen’ny FA.FI.FA.MA teo aloha, ka izay ny tena antom-pisian’ny olana hatreto. Rehefa naheno ny fanambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara anefa ny tantsaha mpamboly ny amin’ny tokon’ny hiveranan’ny tany amin’ny fitondram-panjakana, ary avy eo omena sy atolotra ny vahoaka izany, dia taitra sy nametraka ny fitarainana tany Antananarivo. Taorian’izay dia nidina tany an-toerana Andriamatoa Elia Rabevahiny mpanolotsaina Teknika ny filohan’ny Fanavaozana, izay misahana ny raharahan-tany sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa aminy, Atoa Soja Fulgence ny marainan’ny sabotsy 12 septambra taona 2026 teo iny. Noho ny iraka nampanaovin’ny tomponandraikim-panjakana ambony eto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy azy roa lahy voalaza anarana etsy aloha, dia nihaino sy namantatra ny tena zava-misy marina amin’ny alalan’ny fidinana ifotony, ireto farany no mety hisy ny ny fanapahan-kevitra horaisina, aorian’ny fanangonam-baovao lalina tsy misy fitanilana.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici