- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramartina : Raibe nogadraina fa voarohirohy nanolana zafikely

Anjoma Ramartina : Raibe nogadraina fa voarohirohy nanolana zafikely

Zazavavy kely vao 11 taona monja  no mitondra vohoka, voalaza fa ny raibeny no nanolana azy, nitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny rein’ilay zaza. Nidoboka am-ponja vonjimaika ilay raibeny niampy tovolohay iray miandry fitsarana azy. Tao amin’ny fokontany Ambatondradama, kaominina Anjoma Ramatinina, distrikan’i Mandoto, no nisehoan’ity tranga ity. Ny loharom-baovao no nahafantarana fa nalain’ilay raibeny nipetraka tao aminy tao Ankazomanga ity zaza ity fony vao 5 taona monja. Nanaiky izany ny reniny. Izy feno 11 taona izao anefa tsikaritry ny reniny fa toa bevohoka ny zanany. Nitondra ny raharaha teo amin’ny mpitandro filaminana ilay reniny ary nitory ny rainy izay heveriny ho nahavanon-doza, satria izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ilay zaza. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa tsy afa bela tamin’ity fanolalana sy fanararaotana ara-nofo  ity ilay raibeny. Ny mponina teo an-toerana rahateo nanamafy fa io raibeny io mihitsy no nahavanon-doza. Ilay zazavavy kely kosa anefa nanambara fa tsy ny raibeny no nahabevoka azy fa izany tovolahy antsoina hoe Naina izany. Nosamborina koa ity farany ary samy notanana am-ponja vonjy maika avokoa. Nanamafy ny mpitsabo nanao fizahana ilay zaza fa tena mitondra vohoka 5 volana tokoa ilay zazavavy kely ary mbola nanamarika fa nisy firaisana ara nofo vao haingana. Tsikatrika tato ho ato fa nirongatra ity resaka fanolanana ity na an-tanan-dehibe na ambanivolo.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici