- Publicité SW45 -
vendredi, février 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Toamasina : Mpanendaka nisandoka ho mpitandro filaminana, namono sy nandratra olona

Anjoma Toamasina : Mpanendaka nisandoka ho mpitandro filaminana, namono sy nandratra olona

Manakana ireo izay sendra azy ireo, ireto mpanendaka ireto, toy ireny fomba fanakanan’ny mpitandro filaminana ireny. Mazava ho azy, maro amin’ireo voasakana no mijanona, mihevitra azy ireo ho tena izay tokoa. Kanjo vao mijanona dia efa an’ireto olon-dratsy ireto amin’izay. Miainga avy hatrany ny vono sy ny daroka, miampy fanendahana. Efa maro ireo lasibatra, hoy ny vaovao. Tranga miseho lany teny amin’iny manodidina an’Anjoma, tsy lavitry ny barrière hôtely, 4 chemin, tao Toamasina renivohitra tao. Mazàna dia saika ireo olona sendra mandalo amin’izany toerana izany, amin’ny alina no mitondra faisana, hoy ny pôlisy. Nisy avy hatrany araka izany ny fidinana ifotony nataon’ireo pôlisy teo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany voalohany, Tanambao II ary nametrahana paikady, hanjonoana ireto olon-dratsy.

Ny alarobia teo araka izany no voapaingotra teny an-toerana ny tovolahy roa, 22 taona sy 23 taona, isan’ireo tompon’antoka tamin’ity resaka fanendahana hafa kely ity. « Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa tsy mpitandro filaminana velively izy roalahy fa fomba iray nentina hanakanany ireo izay ho endahiny izany » raha ny vaovao azo hatrany. Halatra miharo vono sy fisandohana andraikitra no hanenjehana azy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mety ho namany amin’ity raharaha ity, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici