- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Dahalo roa saika haka an-keriny olona maty voatifitra

Anjozorobe : Dahalo roa saika haka an-keriny olona maty voatifitra

Maty avy avy hatrany ireo dahalo.

Tsy tanteraka ny fakana an-keriny olona saika hataona andian-dahalo tany amin’ny kaominina Androvakely Anjozorobe, ny alatsinainy teo. «Vasoroka ny fakàna an-keriny saika nataon’ny dahal », hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

 Lavo ireo dahalo roa lahy nikasa hanao fakàna an-keriny olona tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina ambanivohitra Androvakely, distrika Anjozorobe. « Basy vita gasy iray nampiasain’izy ireo no nogiazana, ankoatra ireo zava-maranitra toa ny antsy sy famaky », hoy ny fanazavana.

 Voalaza fa nampihorohoro ny mponina ary nametraka taratasy mifono fandrahonana hanao fakàna an-keriny sy fanerena handoa vola be an-tapitrisa ireo olon-dratsy ireo talohan’izao. Nampandre zandary avy hatrany ireo tompon’andraikitra ifotony ka nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana.

Tonga tsy nisy hatakandro ny zandary ka raikitra ny fifandonana tao amin’ny toerana antsoina hoe Mananjary, fokontany sy kaominina Androvakely. Roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo, tsy nisy maty na naratra kosa ireo zandary. Izao vokatra izao, hoy ny fanazavana dia vokatry ny Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. « Manentana hatrany amin’ny fanomezana vaovao marim-pototra sy ara-potoana », ny zandarimaria.

Marihina fa manomboka miverina indray ny trangana fakana an-keriny any amin’iny faritra Anjozorobe iny ary tafapaka hatrany Tsaratanana. Vao andro vitsy no nisy fakana an-keriny tany Brieville ary mbola tsy hita hatramin’izao. Ity tanana farany izay anisan’ny nahitana izany asan-jiolahy izany matetika. Taorian’ny nahafaty an’i Del Kely, nangingina ny raharaha fakana an-keriny tany amin’ireo faritra ambanivohitra, ary izao manomboka miverina izao indray. Mahazo vahana hatrany asan-jiolahy anatin’izao vanim-potoana maha sahirana ny vahoaka izao. Maro ny olona mitaraina amin’ny afotsiky ny olon-dratsy, tsy an-tanan-dehibe, tsy ambanivohitra. Manao izay ho afany kosa anefa ny mpitandro filaminana manoloana izany, ary manaporofo izany izao vokatra izao. Tsy mitsitsy rahateo ny mpitandro filaminana manoloana ireo olon-dratsy izay sady mirongo basy no sahy mamono ihany koa.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici