Ny herinandro lasa teo, olona efatra izay fantatra amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana, fanafihana fiara ary fanakan-dàlana no tratry ny zandary tao Fierenanana, kaominina Ambatomanoina, any amin’ny distrikan’ Anjozorobe iny. Sarona niaraka tamin’ny basim-borona iray sy basy vita gasy iray ireto olon-dratsy ireto raha ny fampitam-baovao azo. Raha ny zava-nitranga : « Nisy halatr’omby mantsy niseho tao Fierenana distrikan’Anjozorobe, ny 29 aprily 2017 tamin’ny 4 ora hariva. Dahalo 15 no nangalatra omby 19 tamin’izany sady naka an-keriny zazavavikely 13 taona nataony takalonaina. Ny 05 mey 2017 dia nifankatratra tamin’ireo dahalo tao Andriamena kaominina Antakavana, ny zandarin’Ankazobe izay nanao fanarahan-dia ka nisy ny fifandonana ary tafaverina manontolo ny omby, ary votsotra ilay zaza. Tafaporitsaka kosa anefa ireo jiolahy teo ». Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nisy angom-baovao azon’ny zandary fa misy olona mampiantrano ireto andian-dahalo sasantsany ao Anjanabato. Tonga avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto, ary nanao ny fisavana ny tranon’ity olona ity. Tamin’izany no nahatrarana ireto efa-dahy, niaraka tamin’ireto fitaovam-piadiana ireto. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahalalana fa « efa nampiasain’izy ireo nanaovana fanafihana fiara tamin’ny fanakanan-dàlana ireo fitaovam-piadiana ireo, ankoatra ny nampiasany azy tamin’ny halatr’omby ». Natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana moa ireto olon-dratsy ireto. Ny zandary dia manamafy hatrany, fa « andro aman’alina ary mandavan-taona no iasan’ny Zandarimariam-pirenena manampy ny olona amin’ny fiarovana azy ireo sy ny fananany koa entanina hatrany ny vahoaka mba hifanome tànana hanome vaovao mba hisian’ny fandriampahalemana »
m.L