- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Fanadiovana omby halatra, olona 11 nosamborina

Anjozorobe : Fanadiovana omby halatra, olona 11 nosamborina

Ny herinandro lasa teo, olona roa no voatery nosamborin’ny zandary tany amin’iny faritra Anjozorobe iny rehefa nitondra omby nampiahiahy avy any amin’iny faritra Betsiboka iny. Omby 14 no nentin’izy ireo an-tongotra, nolazainy fa avy novidiana ary saika naterina tany amin’ny tompony any Mangamila. Rehefa natao ny fisavàna dia fantatra fa taratasy hosoka avokoa no teny am-pelan-tanan’ireto mpandroaka omby ireto. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy ireo no nanondroany ny namany. Araka izany, olona mahatratra eo amin’ny 11 eo ho eo no voarohirohy amin’ity resaka famotsiana omby halatra ity. Raha ny vaovao fantatra dia efa nisy angom-baovao azon’ny zandary ao Anjozorobe ny mahakasika ny fandalovan’ireo omby ireo tao an-toerana. Notanana avy hatrany izy ireo rehefa nandalo ka tamin’izany no nahitana fa taratasy hosoka avokoa no teny an-tanan’izy ireo. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitry  ny filaminana tany amin’iny faritra iny hatrany dia mety ho isan’ireo omby very tany Ambolotarakely, Ankazobe ny faran’ny volana may lasa teo. Efa tambajotra matanjaka mihitsy ireo olona misehatra amin’ity fangalaran’omby sy famotsiana ireo omby nangalarina ireo. Izany hoe miainga any amin’ny mpangalatr’omby ka miafara amin’ny dahalo ambony labatabatra mpanome ireo taratasin’omby, hivadika ho omby madio. Hatreto anefa dia mbola ireo aty ambany ny tohatra no voasambotra. Mbola mandeha ny fanadihadiana hikarohana ireo tena ati-doha ao ambadik’ity famotsiana omby ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici