- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Anjozorobe : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Nihena iray indray aloha ny lehiben’ny dahalo, nampitondra faisana ireo faritra maro tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Lehilahy iray, efa hikoizana sy karohina fatratra no lavon’ny zandary, tao anatin’ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy hafa namany, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny zandary, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny tanàna iray ao anatin’n kaominina Ambongamarina.

Raha ny nambaran’ny fampitam-baovao dia efa ny faharoa ny volana janoary lasa teo no voasambotra tao amin’ny trano foneny tao Mahalavolona, ao anatin’ny kaominina ambonivohitr’Anjozorobe ity olon-dratsy ity, taorian’ny angom-baovao isan-karazany azon’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nentina nofotorana avy hatrany tany amin’ny borigadin’ny zandary tao an-toerana ny lehilahy ary nanaiky ny hiara-hiasa, hanoro iretsy farany ny toerana fiafenan’izy ireo, alohan’ny hanao « opération ». Toerana izay, manodidina ny 30 kilaometatra, avy eo an-tampon-tanana, any amin’ilay antsoina hoe kizon’Anorana, ao anatin’ny fokontanin’Antanifotsy, kaominina Ambongamarina. Afakomaly izy no niainga kanjo vao nanaiky ilay tanàna dia voalaza fa efa dahalo maromaro no niandry ireto mpitandro filaminana sy ilay lehiben’ny dahalo. Tanjon’izy ireo amin’izany ny hanavotra ity lehilahy ity eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana. Tsy izay anefa no nitranga, rehefa raikitra ny fifandonana ary nitatatata ny basy. Maty voatifitra tao anatin’izany fifampitifirana izany ilay nokasain’izy ireo havotana. Nanao tari-dositra avy hatrany moa izy ireo, hoy hatrany ny vaovao, rehefa hitan’izy ireo fa tsy tontosa ny zavatra nokasaina hatao. Tavela teo ny basim-borona izay.

Marihana, hoy hatrany ny fanazavana azo fa ity lehiben’ny dahalo maty ity dia anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana zandary iray namita iraka tany Antanambao Besakay ny taona 2021. Tsy vitan’izay fa mbola voarohirohy tamin’ny resaka vono olona tao Antsahavola ihany koa. Manginy fotsiny ny resaka halatr’omby, fakàna an-keriny ary fanafihana mitam-piadiana, toy ny nitranga tao amin’ny tanànan’i Masakalina, Anjozorobe, ny volan aprily 2023 lasa teo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Même refrain. Nosambirina, hanoro ny namany, nanandrana nandositra, voatifitra, maty, nisy basy vita gasy hita,…
    1-Tokony diovina ny biraon’ny zandary sy polisy ka potehina izay basy vita gasy any fa lasa fanosoram-potaka ny olona efa tiana hovonoina fotsiny.
    2-Tokony mi-assumer koa hoe novonoinay fa namono ny namanay.
    3-Na ovaina ny lalana ka izay mety hananosarotra ny fanaporofoana ny helony dia omena alalana ny zandary hamono azy tsisy arakaraka.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici