- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Kamiao nitondra mpijery baolina nivadika, olona iray maty

Anjozorobe : Kamiao nitondra mpijery baolina nivadika, olona iray maty

Nosembanin-drahona ny lalao baolina kitra, famaranana tamin’ny fifanintsanana nokarakarain’ny kaominina Analaroa Anjozorobe. Fiarabe iray nitondra mpijery (spekta) izany lalao izany no nivadika, omaly, nony tonga teo amin’ny kianja filalaovana mihitsy. Vokany, nisy tovolahy iray namoy ny ainy  ary maromaro ihany ireo naratra. Omaly tokony ho tamin’ny iray ora latsaka fahefany teo no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovao azo. Fiarabe avy any Antanetibe Anativolo izy ity, ary nitondra ireo mpanohana ny ekipa iray tao amin’izany tanàna izany, izay hihaona tamin’ny ekipa iray tao Analaroa. Izy ireo izay samy tafakatra tamin’ny dingan’ny famaranana avokoa. Mazava ho azy fa anisan’ny lalao iray ankafizin’ny olona any an-toerana ny lalao baolina kitra, ary mahavita mandao tanàna sy lahasa mihitsy ny olona sasany, hijery izany fotsiny. Tamin’io fotoana io, dia azo lazaina fa betsaka ihany ny « spekta » nentin’ity fiarabe ity. Tsy nisy olana hatrany an-tanàna ny dia, saingy nony tonga teo amin’ny kianja filalaovam-baolina mihitsy no indro fa nihilana ary nivadika tamin’ny  ilany ankavanana ity fiarabe ity. Tsy afa-niala intsony ireo olona tao anatiny, ary nisy tamin’izany no voatsindry tao. Anisan’izany ity tovolahy namoy ny ainy teo no ho eo ity. Nisy olona folo hafa, raha ny angom-baovao azo hatrany no naratra mafy vokatr’izay, ary efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa. Nisy tamin’izy ireo moa no tena voa mafy, izay tsy maintsy notazomina ary nisy ireo tojo faharatrana kely, ka rehefa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy dia nalefa nody avokoa. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitra isanisany avy ary heverina fa mety hisy ny fanadihadiana. Hatreto tokoa mantsy dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahatonga izany loza izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici