
Namono olona indray ny kamiao tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, vokatry ny lalan-dratsy ! Ny alin’ny alatsinainy lasa teo, fiarabe feno vary, niaraka tamin’ny olona no nivadika teo Andilantany, kaominina Andranomisa. Vokany, olona efatra no namoy ny ainy ary telo naratra mafy.
Araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana dia niainga avy any Andranomisa ity fiarabe mpanangom-bokatra ity ary nikasa ny hiakatra aty an-drenivohitra. Mazava ho azy, feno entana aman-taonina maro tao anatiny, izay voalaza fa vary akotry milanja eo amin’ny valo taonina teo ho eo. Ankoatry ny vary akotry dia nisy olona maromaro ihany nentin’izany fiarabe izany, ankoatr’ireo tompon’entana sy ny mpamily ary ny mpanampin’ny mpamily moa izany. Teny an-dalana anefa, noho ny lalana malama sy kisilasila nandehan’ny fiara dia tra-doza teo amin’ny fokontany antsoina hoe Andilantany ity fiara ity. Raha ny voalazan’ny zandary nisolifatra ny kodiaran’ilay fiarabe ary tsy tana intsony ny familiana. Nikodingidingy sy nivadibadika teny an-tehazan-tendrombohitra ilay fiarabe, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny, izay nifangaro sy voatsindrin’ny entana. Teny ambany vao nijanona izany ary niafara tamin’ny fivadihan’ny fiara ambony sy ambany izany. Nandriaka ny rà. Olona efatra no voatery nosokirina tao ambanin’ireo gonim-bary maromaro. Vehivavy ny iray ary lehilahy ny ambiny. Samy efa tsy nisy aina intsony izy ireo, raha ny angom-baovao azo hatrany. Marihana fa samy olona nipetraka taoriana niaraka tamin’ireo entana avokoa izy ireo. Tetsy andanin’izay dia fantatra fa samy naratra mafy avokoa ireo olona telo teo aloha, anisan’izany ny mpamily. Nentina novonjena nihazo toeram-pitsaboana haingana daholo moa ireo farany. Efa nidina tany an-toerana ny zandary sy ireo tompon’andraikitra maro, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.
m.L