- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Leo ny nitsoaka lava, nitolo-batana teny amin’ny zandary i Dakely

Anjozorobe : Leo ny nitsoaka lava, nitolo-batana teny amin’ny zandary i Dakely

Voarohirohy tamin’ny resaka halatra ingahy.

Anisan’ireo olon-dratsy voalaza fa tompon’antoka tamin’ny resaka halatr’omby niseho tao Bemandroana, kaominina Marotsipoy, distrikan’Anjozorobe i Dakely sy namany. Nisy mihitsy ny didy fampisamborana azy ireo navoakan’ny fitsaràna. Saingy tsy niandry hosamborina iry voalohany. Ny marain’ny talata teo izy no tonga tao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Ambohibary Vohilena, rehefa nahita fa nitady azy andro aman’alina ny zandary. Mazava ho azy fa notazomina ary nanaovana fanadihadiana. Ny ampitson’io no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nalefa namonjy ny namany teny Antanimora. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nisehoana halatr’omby miendrika « soko » , izay hoe nalain’izy ireo antsosokosoko tao am-bala, tao amin’io tanana voalaza etsy ambony io, ny voalohandohan’ny volana martsa lasa teo. Rehefa nahare ny zava-nisy ny zandary tany an-toerana ary niroso tamin’ny fanenjehana ireo olon-dratsy dia ny iray tamin’ireo olon-dratsy fantatra amin’ny petak’anarana hoe Tsoa no voasambotry ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fanadihadiana azy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny lehilahy ary nadoboka am-ponja vonjimaika ny 19 martsa lasa teo. Ireo namany hafa kosa namoahana didy fampisamborana. Mbola ity Dakely araka izany no tonga ny nitolo-batana, ireo naman’izy ireo hafa kosa mbola eo an-dalam-pikarohana azy ireo ny zandary. Manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao moa ireto farany ary mba hiara-nifandrimbona ao anatin’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana. « Efa hita fa manomboka miova lasy any amin’ireo olon-dratsy mantsy ny tahotra ary porofo izao jiolahy tonga nitolo-batana izao » hoy izy ireo. Marihana fa olon-dratsy fanindroany tonga nitolo-batana teny anivon’ny zandary, ao anatin’ireo faritra hiandraketan’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central moa ity tany Ambohibary ity, raha ny tao Ambohimanarivo ny voalohany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici