- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Miaramilan’ny DAS maty voatifitra

Anjozorobe : Miaramilan’ny DAS maty voatifitra

Miaramila iray kilasy voalohany avy ao amin’ny DAS no fantatra fa maty voatifitry ny jiolahy tany amin’ny faritra Anjozorobe ny faha-2 aprily lasa teo. Ankoatra io mpitandro filaminana io, olona iray koa no voalaza fa maty tao anatin’ny fifanandrinana nisy. Tany amin’ny fokontany Andranonahoatra kaominina Ambongamarina, any Anjozorobe, no niseho ity tranga ity. Io andro voalaza etsy ambony no, nisy olona enina niala ny tananany handeha hividy entana. Rehefa teny an-dalana anefa, nisy jiolahy nanakana izy ireo. Tafatsoka ihany anefa ireo mpiantsena ary nampandre avy hatrany ny miaramila miasa any an-toerana avy ao Ankazongoaika. Natao ny fikarohana ireo mpanakan-dalana. Ny vaovao no nahafantarana fa nifanehatra teny amin’ny toerana Andranomaitso ny roa tonta. Raikitra ny fifampitifirana ka tamin’izany no nahalavo ilay miaramila sy ilay olon-tsotra iray. Tsy nijanona teo ny raharaha fa mbola manao ny fikarohana ireo andiana mpanakan-dalana ny miaramila amin’izao fotoana izao ary niantso ny namany avy amin’ny faritra hafa hanome tanana azy ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici