- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mirongatra ny halatra môtô

Anjozorobe : Mirongatra ny halatra môtô

Raha nilamindamina ny resaka asan-dahalo tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, dia miaina anaty tebiteby hafa indray ireo mponina, indrindra fa ireo ao an-tampon-tanana, noho ny resaka tsy fandriam-pahalemana hatrany. Tato ho ato izay mantsy dia hita fa niha-nahazo vahana indray ny halatra môtô tao amin’ny kaominina ambonivohitra Anjozorobe. Tato anatin’ny andro vitsy dia efa tokantrano misimisy ihany no lasibatra vokatr’izay. Raha ny fanazavàna azo teo anivon’ny tobim-paritry ny zandary any an-toerana dia miisa roa izy ireo aloha hatreto no tonga nanao fitarainana tany, tao anatin’ny herinandro. Ny iray môtô « cross » nipetraka tao an-trano kanefa dia tafavoakan’ireo olon-dratsy soa aman-tsara. Ary ny iray, ny faran’ny herinandro teo, dia  môtô rehefa nipetraka teo an-tokotany misy fefy mihidy.

« Efa eo am-panokafana ny fanadihadiana mahakasika izay tranga izay izahay », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana. « Tamin’ilay tranga voalohany no efa nisy voasambotra ary natolotra ny Fampanoavana omaly » hoy ny fanazavàna. Olona telo ireto nosamborin’ny zandary ireto izay mpiambina tao amin’ilay trano nitoeran’ilay kodiaran-droa. Fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa moa izy telo ireto. Mbola eo am-pikarohana izay mety ho namany hafa kosa ireo zandary. Tsiahivina fa efa toe-javatra efa nitranga teo aloha teo ity firongatry ny halatra môtô tao an-toerana ity, ary vitan’ireo olon-dratsy mihitsy aza tamin’izany naka kodiaran-droa an’ny tompon’andraiki-panjakana iray tao an-toerana. Saingy niatoato izy io ary dia izao miha-miverina izao indray. Marihana fa isan’ny fitaovam-pitaterana tena miasa any amin’iny distrika iny ny kodiaran-droa noho ny lalan-dratsy tsy ahafahan’ny fiara mihitsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici