- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpivady antitra maty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina, lasa ny volabe

Anjozorobe : Mpivady antitra maty novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina, lasa ny volabe

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao Anjozorobe , ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Mpivady lehibe, efa samy nahazo taona no nitsitra nihoson-drà tao an-tokantranony tao Ambohikely, fokontany Fiherenana, izay kilaometatra vitsivitsy tsy ahatongavana ao an-tampon-tananan’Anjozorobe. Novelesina tamin’ny hazobe ny lohan’izy ireo tsirairay avy ary nakorontana ny tranony. Ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary no nahafantarana, fa nisy vola mitentina fito tapitrisa ariary very tao amin’izy ireo. « Vao avy nahalafo tany izy ireo », hoy ny iray tamin’ireo fianakaviana tafaresaka taminay. « Ary saika hidina any haka ilay vola any izahay no nitranga izao loza mahatsiravina izao”. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no niseho ity fanafihan-jiolahy narahina vono olona ity, raha ny fampitam-baovao azo. Tsy nisy nahatsikaritra ny fisian’izany anefa ireo mponina tao an-tanàna, raha tsy ny maraina ny andro. Mipetra-drery izy mivady lehibe ireto, izay samy mananika ny 70 taona any ho any avokoa. Ny zanak’izy ireo, izay mipetraka tsy lavitry ny tranony, tonga vao maraina tao amin’izy ireo no nivarahontsana raha nahita ireo ray aman-dreniny, nitsirara sy tsy nisy aina intsony, tao anatina korontana nihoson-drà. Araka izany, naparitak’ireo olon-dratsy avokoa ny entana rehetra tao an-tranony, nikarohan-javatra. Toa efa fantatr’ireto farany ny fisian’ireo volabe tao an-tranon’ireto lahiantitra sy vaviantitra ireto. Vely kibay maromaro teo amin’ny lohan’izy ireo tsirairay avy no nitarika ny fahafatesany, raha ny fanazavana azo. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpanao fanadihadiana ny raharaha, hikarohana ireo nahavanon-doza. Taorian’ny fizahana kosa dia nomena ny fianakaviana ny razàna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici