- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Naka takalon’aina indray ny dahalo

Anjozorobe : Naka takalon’aina indray ny dahalo

Ankoatra ilay zazalahy vao 16 taona monja, nalain’ireo dahalo an-keriny tao an-tanàna dia mbola nodoran’ireo tsy valahara ny trano fitoeran’entana. Tranga niseho ny alahady lasa teo, tao Ambohibary Vohilena.

Nanodidina ny 30 lahy teo ho eo ireo dahalo nanafika ity tanàna kely iray tao Amboniakondro, fokontany Morarano, kaominina Ambohibary, distrikan’Anjozorobe, ny marain’ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any ireo zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Ambohibary no nahazo antso vonjy tamin’ireo mponina, hoy ny fampitam-baovao azo. Noravaravain’ireto andian-dahalo ireto tanteraka ny tanàna, fa indrindra tao amin’ny tokantrano iray, izay manana tsena tao an-toerana. Saika lasa avokoa ireo entana rehetra tao amin’ity toerana ity ary izay sisa tsy zakan’izy ireo dia nodorany niaraka tamin’ny trano fitoeran’entana. Zazalahy iray 16 taona no nentin’izy ireo an-keriny, nataony takalon’aina tamin’io fotoana io. Nisy findain’ny tovolahy iray sendra ireto olon-dratsy tamin’ny fitsoahany nendahin’ireto olon-dratsy. Ny laharan’ity finday ity indray avy eo, rehefa lasa lavitra izy ireo no niantsony ny fianakavin’ilay zazalahy, teny am-pelatan’ireto malaso, ary nitakian’izy ireo vola manodidina ny 50 tapitrisa ariary teo ho eo. Efa manao izay azony atao moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, hamonjena ity ankizy ity. Efa mandeha ihany koa, etsy andanin’izay ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto malaso ireto any an-toerana any.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici