- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Nanafika indray ny dahalo

Anjozorobe : Nanafika indray ny dahalo

Tanana kely iray ao amin’ny kaominina Ambatomanoina, distrikan’ Anjozorobe indray no notafihan’ny andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana, ny alin’ny alarobia lasa teo. Mazava ho azy, fa tsy nisy sahy nivoaka ireo mponina, noho ny tahotra an’ireo tsy valahara ireto. Ireto farany rahateo, tsy vitan’ny mitabataba mampitahotra fa, mbola mitora-bato ny varavarana sy ny varavaran-kelin’ireo trano tao amin’ity tanànan’Anosikely ity. Nanjakazaka araka izany izy ireo nandroaka ireo omby rehetra azo nalaina tao amin’ilay tanàna. Omby am-polony latsaka teo ho eo no fantatra fa lasan’izy ireo tamin’izany. Taorian’ny fanafihana moa vao afaka nampilaza ny zandary tany an-toerana ireo voatafika. Nandeha avy hatrany teo ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto malaso ireto.

Miaina tanteraka anaty tebiteby ny mponina any amin’iny distrikan’ Anjozorobe, efa volana maromaro lasa izay. Saika isan’andro mantsy dia hahenoana fanafihan-dahalo amin’ireo toerana somary ambanivohitra. Eny fa amin’ireo tanana manamorona ny lalam-pirenena fahatelo iny aza dia saika mivorivory sy manao andrimasom-pokonolona ireo vatan-dehilahy. Fa ankoatry ny asan-dahalo dia nahazo vahana ihany koa tato ho ato izay ny doro tanety any amin’iny faritra iny. Misy ifandraisany ve ? Tsy mbola fantatra ny amin’izay aloha. Raha ny toy ny fanaon’ireo dahalo any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, dia ny doro tanety  no marika ahafantarana fa misy dahalo manodidina. Araka ny voalaza mantsy dia fomba iray entin’izy ireo hamafana ny dian’omby ny doro tanety, hahavery tanteraka ireo mpanara-dia. Asa aloha …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici