- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Natao takalon’aina dia novonoina avy eo

Anjozorobe : Natao takalon’aina dia novonoina avy eo

Nentina niala kely teo amin’ilay tanàna dia notifirina nony avy eo. Izany no nitranga tao amin’ny tanàna antsoina hoe Marotsipoy, ao Anjozorobe. Tompon’omby izy io ary rehefa voaroba ny tranony ka nalaina ireo biby fiompy dia mbola nentina natao takalon’aina koa ny tenany. Ny alakamisy teo no nitranga ny fanafihana tao amin’ny tanàna izay voalaza etsy ambony ary tsy lasa lavitra akory dia efa novitaina ny olona nalaina. Lasa fanaon’ny dahalo tanteraka ankehitriny ny fakàna an-keriny sy ny fanaovana takalon’aina. Fantatra koa fa nisy vehivavy iray nentin’izy ireo niaraka taminy taorian’ny fanafihana nataony. Nantsoina ny havan’ilay vehivavy ary noterena handoa vola mitentina 60 tapitrisa ariary mba ho takalon’ny aina. Mbola mandeha ny fifanarahana rehetra hatramin’ny omaly. Na izany aza dia efa nihetsika ny teo anivon’ny zandarimaria ary nisy ny fanaovana sarika am-pandriana ny jiolahy iray izay efa fanta-daza tao an-toerana. Voasambotra io farany saingy mbola nitsoaka indray teo am-pitaterana azy ho an’ny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Vokatr’izany dia tsy maintsy nampiasaina hery ary maty voatifitra. Raha ny filazan’ny zandary dia efa tafiditra tamin’ny asan-dahalo sy fakàna an-keriny maro nitranga tany amin’iny faritra iny ilay olona voatifitra. Niaraka tamin’ny olona roa izy tamin’ny fotoana nisamborana azy saingy tafaporitsaka ireo ary mbola ifampitadiavina koa hatramin’ny omaly. Zava-baovao izay lasa fanaon’ny dahalo tamin’ity taona ity ny fanaovana takalon’aina sy fakàna an-keriny. Na fanafihana tsotra aza dia lasa mitondra olona hatrany ny ankamaroan’ireo fikambanan-jiolahy ary izany dia na hanakanany ny fanarahan-dia na koa entina hangalàna vola amin’ny fianakavian’ilay olona. Tranga izay tsy nisy raha tsy teto an-drenivohitra anefa ny fakàna an-keriny taloha.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici